samedi 7 décembre 2013

INSRCIPTION PAYZA




NY PAYZA SY NY FAMPIASANA AZY:


Ny PAYZA dia Banque virtuelle izay tena ilaina tokoa raha hiasa sur internet. Ireo toerana iasana amin'ny internet mantsy dia tsy mifandray mivantana amin'ny Banque réel (oh: BOA, BMOI....) fa mifandray aminao amin'ny banque virtuelle toy ny PAYPAL, PAYZA, MONEYBOOKERS sns...
Ny PAYPAL no tena malaza indrindra amin'ireo saingy tsy mbola eken'ny PAYPAL i Madagasikara amin'ny fampiasana vola ao aminy (afaka manao inscription ihany ianao saingy na dia misy gain azonao aza dia tsy mety raisin'ny PAYPAL izany mba ho ao amin'ny compte'nao).
Ny PAYZA no nampiasaiko ary efa nandefa vola sy nandray vola tamin'io fomba io aho. Tsotra ny atao:


NB: Mila manokatra adiresy e-mail Gmail ianao mialoha ny hanaovana asa sur internet ary io adiresy  io no ampiasainao amin'ny inscription rehetra atao ao anatin'izany ny payza!!

  1. Manao inscription gratuit ao amin'ny PAYZA (klikeo ery amin'ny sary misy hoe inscription dia tonga dia tafiditra avy hatrany ianao)
  2. Eo ankavian'ny Log in misy safidy ahafahana manova ny page ho amin'ny teny frantsay raha manavanana anao izany (jereo ny sary ery ambany). 
  3. Tsindrio eo amin'ny INSCRIPTION
  4.  Choisissez votre pays (Madagascar)
  5. Fidio ny compte personnel fa io no tsotra (choisir)
  6. Fenoy ARA-DALANA sy MARINA ny renseignement rehetra ao mba tsy ho sahirana ianao rehefa mandray ny volanao.
  7. Dia vitaina avokoa ny dingana rehetra ka hanana compte gratuit ao ianao ary tonga dia azo ampiasaina avy hatrany.
  8. NB: Rehefa tonga amin'ilay hoe NIP de Transaction dia mamorona numéro (6 isa) ianao, karazana mot de passe koa io ka raiso an-tsoratra tsara satria ilaina rehefa hisintona vola sy amin'ny transaction rehetra!
  9. Vérification compte payza: ilaina io mba hampitombina tsara ny compte'nao sy haneken'ny site iasana azy ara-dàlana. Tsy carte Visa ihany no azo anaovana izany fa par téléphone ihany koa: midira ao amin'ny comptenao +Mon compte payza(menu principal)+vérification. Jereo ery ankavanan'ny page fa misy valim-panontaniana momba izany dia araho izay ambarany. Asio crédit mialohan'izany ny phone'nao satria misy frais (sms international) ilay vérification. 
*Raiso an-tsoratra sy tehirizo tsara ny informations rehetra nanaovanao inscription tamin'ny Payza fa tsy afaka hamerina fisoratana anarana aminy intsony ianao indray andro raha sanatria adino ireo!- Banque mantsy ny Payza ka raisiny ho "fraude" raha manokatra compte 2 ny olona iray!



Mino aho fa manam-pikasana hiasa sur internet ianao matoa vonona hanao inscription amin'ny Payza. Tena mahavelona tokoa ny asa sur internet indrindra ho antsika firenena sahirana. Izaho manoratra dia mivelona amin'izany ary afaka milaza fa maha afa-pahasahiranana tokoa izy ity.
Tsy hanafina aho fa indro eto ambany ilay site iasako ka afaka manao inscription avy hatrany ianao raha haka tahaka ny fahombiazako.

NB: ataovy azo antoka tsara fa efa vitanao ny inscription tamin'ny Payza satria ilaina izany rehefa hisoratra anarana amin'ireto sites ireto ianao

Marihana mialoha fa ilana FAHARETANA ity asa ity ary eo amin'ny 1 volana eo ianao no tena sairana fa avy eo dia mandeha tsara sy haingana ny fitombon'ny volanao. Clikeo fotsiny ilay sary eo ambany dia ataovy ny inscription (s'incrire na register na sign up) fa atoroko anao ny site hafa amin'ny teny frantsay izay tena manazava amin'ny antsipirihany ny fomba fampiasana azy ireo. Azo atao any amin'ny Cyber koa ireo nefa aza lazalazaina amin'ny olon-kafa fa connection iray tokony ho compte iray ihany. Araraoty dieny mbola ianao irery no mahalala ity tombontsoa ity :-)!!


 PAYZA








8 commentaires:

  1. Miarahaba tompoko,
    Misaotra betsaka @ torolalana.
    Misy fanontaniana kely : Dia ahoana kay avy eo no fisintonana ilay vola @ compte payza.

    RépondreSupprimer
  2. A mon avis je pense que Payza et le n°1 des processus de paiement en ligne.

    RépondreSupprimer
  3. Misaotra indrindra, nandefasako mailaka ihany koa ianao. AIza kay ilay site resahinao azafady indrindra? Misaotra :)

    RépondreSupprimer
  4. Miarahaba anao tompoko, mba te halala le site na plate forme mpiasainao raha mbola tsy tara aho Misaotra indrindra

    RépondreSupprimer
  5. LE payza ôtrany efa tsy mety hanaovana inscription tsouny amzao 2020 zao sa zah no ts mahay sa ny connexionko no ratsy.
    Merci

    RépondreSupprimer
  6. Mbola azo anokafana compte ve le payza?

    RépondreSupprimer
  7. bonsoir.maniry ny mba hanokatra compte Payza zah tompoko kanefa tsy mety misokatra mihintsy ilay izy.inona kay no tokony ataoko zafady?misaotra

    RépondreSupprimer
  8. Saika hanokatra aho dia sary 3no miseho eo de oe tsy prive ony ny connection? De in no atao? Merci

    RépondreSupprimer