mardi 10 décembre 2013

PETIT BOULOTS

PETITS BOULOTS:

Araky ny anarany dia asa kely izy. Asa kely, ho an'ny vazaha fa mety ho asa be ho antsika; indrindra raha mahavita maromaro ianao.


AIZA NO AHITANA AZY?

Ao amin'ny NEOBUX; CLIXSENSE... no misy azy. Marihana anefa fa tsy ny NEOBUX na CLIXSENSE no tompony fa misy site antsoina hoe CROWDFLOWER no tompon'ny asa. Ny NEOBUX dia fandefasany ny volanao fotsiny isaky ny misy task (asa) vita. Ka rehefa miditra ao amin'ny asa iray ianao (manao click toy ilay sary ita eto ambany eto) dia tafiditra amin'ny pagen'ny CROWDFLOWER.
Site hafa mihintsy io, ary izy no tompon'ilay asa ka tokony manao inscription ianao aloha vao manomboka ilay "task".


AHOANA NY FAMPIASANA AZY?

Miditra ao amin'ny compte NEOBUX ianao dia ao amin'ny offres; dia fidio ny hoe petits boulots. Rehefa tafiditra ianao dia ahita sary toa izao:






Fenoy ny banga. Ilay e-mail dia ny e-mail nanaovanao inscription tamin'ny payza na neobux dia mety. Handefa lien de confirmation any izy avy eo ka jerena any dia clickena ilay lien mba ho validé ny comptenao.
* ilay mot de passe dia mot de passe ho fidiranao ao amin'ny crowdflower rehefa misy asa sasany izay tsy azo atao raha tsy efa nahavita inscription tao amin'ny crowdflower ianao. Tsy maninona iny na atao mot de passe mitovy amin'ny neobux aza mba tsy ho adino.
Rehefa vita ny inscription dia afaka manomboka miasa ianao.
FANAMARIHANA: ny SIGN UP dia midika hoe manao inscription / ny SIGN IN dia midika fa efa membre ianao ka afaka miditra eo!
Midira ary ao amin'ny SIGN IN dia haita sary mitovitovy amin'izao ianao (ao amin'ny compteko ity):




Miseho eo hoe firy ny karazan'asa (jobs) efa vitanao. Ny isan'ny asa (Tasks); ny fahatsaran'ny asa vita (accuracy).
Io notsipihako menamena io no antsoina hoe: skill tests. Rehefa mahavita asa iray na roa ianao amin'ny voalohany dia midira ao fa misy tests mety ho azo atao ao. Karazana fanadinana kely izy io. Ohatra: skill tests french: ijerena raha mahay teny frantsay ianao ka raha afaka dia lasa mahazo asa amin'ny teny frantsay rehefa misy. Dia toa izany no hahazoanao asa betsaka sy tsara noho ny hafa.
TOROHEVITRA MAHASOA:* Rehefa mahazo asa iray dia vakio tsara ny instruction rehetra. Aleo mandany andro mianatra tsara ny instruction mba ho tsara ny "accuracy" dia afaka manohy ny asa hatrany ianao fa tsy mahazo ilay hafatra hoe: YOUR ACCURACY IS TOO LOW (ambany loatra ny fahamarinan'ny asa nataonao ka tsy afaka manohy iny projet iny ianao aloha fa mijery hafa indray raha misy hafa. Ny hoe "accuracy ambany" dia 70% no midina).
* Teny anglisy amin'ny ankapobeny ireo petits boulots. Misy ihany anefa ny teny hafa toy ny teny Espagnol, portugais.... ka tombony ho anao izany raha mahay ianao.


IREO METY HITRANGA REHEFA MANAO PETITS BOULOTS IANAO:

Rehefa miasa amin'ny Task iray ianao dia mety ho vitsy mety ho maro ny ao anaty page iray. Miovaova isaky ny tasks fa rehefa tonga amin'ilay soratra hoe: "SUBMIT/CONTINUE" dia vita izay ny tasks iray. Raha page iray fotsiny dia hisy fiandrasana kely rehefa mi-click io submit io ianao satria mbola mitsara ny fahamarinan'ny asanao izy. Raha misy diso dia asehony eo izay diso sady asiany correction. Dia clickenao indray ny CONTINUE:
- raha ambonin'ny 70% ny fahamarinan'ilay asanao teo dia mahazo ny vola mifanaraka amin'iny asa iray iny ianao.
- Raha sanatria latsaka dia miseho ilay soratra hoe: YOUR ACCURACY IS TOO LOW (ambany loatra ny fahamarinan'ny asa nataonao ka tsy afaka manohy iny projet iny ianao aloha fa mijery hafa indray raha misy hafa. Ny hoe "accuracy ambany" dia 70% no midina).
Indraindray misy asa voadingana ao anaty page iray ka rehefa potserinao ny SUBMIT dia tsy mety lasa ilay asa. Jereo fa misy asa voadingana any ambony any izay ary asiany soratra mena hoe: "tsy maintsy fenoina ity"


FAMARANANA

Ny asa rehetra nataonao na tsara na ratsy dia vita enregistrement ao amin'ny crowdflower. Misy diplôme kely maromaro (jereo ny sary eto ambany) aza ao ka arakaraky ny mahatsara ny asa vitanao no mampisokatra azy ireny. Ary rehefa misokatra ireny dia HAHAZO ASA BEBE KOKOA NOHO NY OLON'KAFA IANAO SADY ASA BE VOLA KOKOA.



INONA NY ATAO RAHA IJANONA TSY HIASA?

Araky ny sary eo ambony dia clickeo ilay toy ny taratasy kely (1) ary avy eo mipoitra ilay page mainty io ka clickeo ny hoe: GIVE UP (midika fa ijanona tsy hanohy ilay asa aloha). Afaka manohy indray ianao avy eo fa mampijanona ilay lera (29:48 zao io @ sary io) fotsiny iny.

Dia izay angamba no azo amintinana ny PETITS BOULOTS fa dia anjaranao ny sisa. Raha mbola misy fanontaniana tianao ho fantatra dia afaka mi-contactez ahy ihany ianareo. Jereo tsindraindray ity blog ity fa rehefa misy ASA BETSAKA tonga sady MORA ATAO dia hasiako fanazavana amin'ny teny gasy mikasika ireny ato ka afaka miasa ianao na dia tsy mahazo teny anglisy aza :-).
Mazotoa ary e!

TETIKA MAHOMBY:
Manana petits boulots bebe kokoa ny CLIXSENSE. Tsara ny manao inscription aminy satria na dia boulots mitovy ihany aza no ao amin'ny neobux sy clixsense dia ny an'ny clixsense no tsara karama kokoa.
Ny fanaoko dia ny miasa amin'izy roa miaraka ka rehefa lany na voaraoka (ambany loatra ny accuracy) amin'ny iray aho dia mifindra amin'ny iray :-)
Clickeo ity sary ambany ity raha hanao inscription amin'ny CLIXSENSE ianao:


Raha tena liana amin'ny petits boulots tokoa ianao dia ity koa misy site iray efa nahazoako vola misimisy ihany. 1$ dia afaka misintona vola ary azo eo ho no eo ao anaty compte payza'nao izany.
Tsy misy click atao ao anatiny fa tonga dia petits boulots avy hatrany. Clickeo ny sary kely eto ambany io raha hanao inscription ianao:
(io sary kely io!)

1 commentaire:

  1. fa misy isa sa marika tratrarina nga vao afaka mi s'inscrire amin'ilay petit boulot?

    RépondreSupprimer